top of page

WAhoana no anombohako fifandraisana amin’Andriamanitra?

 

Zmiaiky tanteraka fa mpanota ianao. Avy eo manapaha hevitra ny amin’ny lalan’ny famonjen’Andriamanitra amin’ny fanekena an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy anao ary fanasana azy ho eo amin’ny fiainanao amin’ny alalan’ny vavaka. Ny Romana 10:9-10 dia milaza fa raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Fa ny olona iray dia ambara ho marina, raha mino amin'ny fo; voavonjy ny olona iray amin’ny fiaikena ny ‘finoana’ amin’ny vava.

Amin’ny alalan’ny vavaka tsotra sy amim-pahatsorana no ametrahanao ny fifandraisana eo aminao sy Andriamanitra. Ataovy ity vavaka fohy ity dia ho tonga eo amin’ny fiainanao araka ny nampanantenainy i Jesosy.

“Andriamanitra ô, niaina tsy nisy Anao aho hatramin’izao.

Tsapako fa mpanota aho.

Mamelà ny heloko.

Mino aho fa Jesosy maty ho ahy, noho ny fahotako teo amin’ny hazo fijaliana

ary tonga Mpanavotra ahy.

Tapa-kevitra aho ny hiaina fiainana vaovao miaraka amin’ny herin’ny Fanahy Masina.

Izay rehetra misy ahy sy ananako dia apetrako eo an-tananao.

Ianao no hitondra ny fiainako.

Amena."

Azonao atao ihany koa anefa ny mametraka izany amin'ny teninao manokana. Raha mbola avy ao am-po dia marina izany.

Christ ary avy eo?

Defa nanaiky an’i Jesosy ho Mpamonjy anao ianao. Arahabaina noho ny fanapahan-kevitra tsara indrindra nataonao! Inona anefa no tohiny? Ireto misy dingana vitsivitsy hitarihana anao:

  • Vakio isan’andro ny Baibolinao

Izany no sakafo ho an'ny fanahinao. Hoy ny Salamo 119:11 : “Tato am-poko no nitahiry ny teninao, mba tsy hanotako aminao.” Tena ilaina ny mandany fotoana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

  • Mivavaha isan’andro

Miresaha amin’Andriamanitra ary henoy izay lazainy aminao. Milaza ny 1 Tesalonianina 5:17 fa tsy tokony hitsahatra amin’ny fivavahana isika. Ampahany tena ilaina amin’ny fitomboantsika amin’ny maha-mpino antsika izany.

  • Mandania fotoana miaraka amin’ny Kristianina hafa

Aza miaina mitoka-monina amin’ny fiaraha-monina. Mampirisika antsika ny Baiboly mba tsy hanadino ny fivoriana toy ny ataon’ny sasany ( Hebreo 10:25 ). Zava-dehibe ny tafiditra ao anatin'ny faribolana kelin'ny Kristianina ary mifandray amin'ny hafa. Ao no misy ny tena fiarovana.

  • Henoy ireo mpitarika ara-panahy anao

Mandehana any am-piangonana ary manantena an'Andriamanitra hiresaka aminao amin'ny alalan'ny toriteny. Hoy ny Hebreo 13:17 : “Henoy ny mpitarika ny fiangonanareo, ary araho ny didiny. Satria miambina anao ‘tahaka ny mpiandry ny ondry nankinina taminy’ izy ireo, ary tsy maintsy hanao tatitra momba ny fanompoany an’Andriamanitra indray andro any. Midira ao amin’ny fiaraha-monina matanjaka iray izay mino ny Baiboly sy manao izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra.

bottom of page